Entry Etsy, matoria
Part of speech name (poem title) [full list]
Author Rado
Text 
Anaka!
Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
noho ny haben'ny havizanany...
ka savolaina be ny tanany
Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
izay alehan'ny fisainako,
na izay adin'ny fiainako
feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
efa an-taona maro izao!

...Soa fa niafina aminao,
izany izaho mifoha maraina
mieritreritra ao an-tsaina
sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
teo am-pelatanantsika,
nokendrena tsy hipika,
nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
raha misy dia hatao
akanjo anatiny ho anao
fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!

...Nefa, etsy, matoria,
fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
f'efa miady be ny saiko!
Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
Ary izay 'lay mahavoa
sady mahavaky fo
ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
Nefa, etsy, matoria...
Mikimpia dia mikimpia...
Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
...Miondàna, sombinaina
eto am-poko be taraina.

Nefa, etsy,matoria...
Mikimpia dia mikimpia...
Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
...Miondàna, sombinaina
eto am-poko be taraina.
Vocabulary 
Tables and plates All the titles

Updated on 2023/10/20